FANTINA sy FINTINA

”Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no tokony hisitraka ny famerenana ny fifidianana amin’ny ampahany fa misy kaominina 20 eo ho eo”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, Safidy, Ramiarondraibe Hajason. Tokony hiaretana kely ny famerenana izany. Lisi-pifidianana efa tsy nety teo aloha, nisian’ny fitoriana, ka hamerenana fifidianana.

Governemanta tena hanao fanovana no andrasana amin’izao, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny vovonana Diovy i Madagasikara, ny Dr Razafindrakoto Harison. Tsara raha ravana aloha ny Lalàmporenan’ny Repoblika IV vao miroso amin’ny fanorenana ifotony. Fehezin’ny lalàna izay mamaritra ny rafitra tiana hapetraka izay fanorenana ifotony izay.

Tsy mametraka olana amin’ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao ny fikambanana Tanora miantsehatra (Tamia), araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Randriamahefa Benjamina. Tsy tokony hiandry ela ny fanendrena ireo mpikambana vaovao handrafitra ny governemanta. Misy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny toekarena marefo ny fitarazohan’izany.

Partager sur: