Nilaharana ny lasantsy SP 95 eny amin’ny toby mpaninjara solika sasany eto Antananarivo sy Toamasina, nanomboka ny alatsinainy teo. Hikorontana ny famatsiana azy ato anatin’ny roa andro, raha ny fanazavana nomen’ny OMH.
Miantraika amin’ny famatsiana solika aty Madagasikara ny ady any Moyen Orient, ifandonan’ Iran amin’Etazonia sy Israely. Raha ny fanazavan’ny Fitantanana foibe ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), omaly, tsy niainga ara-potoana ny sambo Advantage Passion, tokony ho niala tany amin’ny seranan-tsambon’i Sohar, any Oman, ny 4 marsa teo, fa ny 9 marsa vao afaka niainga tany an-toerana. Izany hoe, nisy fahatarana 5 andro. Mitatitra lasantsy SP95, gazoala GO ary solika fandrehitra (PL) ity sambo ity.
Nahatonga izany ny ady any Moyen Orient, mampikorontana ny famatsiana solika maneran-tany. Nomarihin’ny OMH fa nihena 8 andro ny faharetan’ny dian’ilay sambo eny ambony ranomasina, raha tokony ho 11 andro.
Ny lasantsy SP95 no voakasik’ity fahatarana ity, mahatonga ny tsy fahampian’ny famatsiana eto Antananarivo sy Toamasina. Voalazan’ny OMH kosa fa ampy ny tahiry ka tsy misy ahina ny amin’ny faritra hafa. Tsy maintsy ferana ny fitsinjarana any amin’ireo toby mpaninjara solika. Misy koa ny fitaterana solika lasantsy SP 95, miainga any amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, hanampiana ny tahiry eny amin’ny toby Alarobia.
Manoloana ireo fandaminana ireo, mampahafantatra ny mpanjifa ny OMH fa tokony hiverina amin’ny laoniny ny famatsiana lasantsy eto Antananarivo sy Toamasina, afaka roa andro, izany hoe, manomboka amin’ny zoma 20 marsa.
Tsy maintsy hisondrotra
Manentana ny rehetra ny OMH tsy hanao tahirin-tsolika, satria mety hampidi-doza toy ny afo, sady indrindra hanimba ny lafiny famatsiana ho an’ny mpanjifa, ho tonga any amin’ny varomaizina.
Ankoatra ireo, azo antoka fa tsy maintsy hisondrotra ny vidiny eto amintsika, amin’ny volana avrily ho avy izao, izay miova isam-bolana. Satria, tamin’ny 4 marsa, fotoana efa nampipoaka ny ady any Iran ny nividianana azy tany Oman.
Njaka Andriantefiarinesy




