Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fiainan’ny zanakolombelona ny ala. Hita taratra izany amin’ny lafiny tontolo iainana, sosialy ary indrindra ny toekarena. « Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » ny 21 marsa. Ho an’ity taona 2026 ity, mandritra ny herinandro ny fotoam-pankalazana. Ho maro ny hetsika hanamarihina azy, mifantoka amin’ny lohahevitra hoe « Ny ala sy ny Toekarena ». Andry iray lehibe amin’ny fitantanana maharitra ny ala sy ny fanomezan-danja azy ho an’ny tombontsoan’ny firenena ny mpianala. Hifamotoana eto Antananarivo avokoa ireo mpianala manerana ny Nosy, hanatanteraka ny Fikaonandoham-pirenena ny Vondron’ny mpianala. Ho dinihina ny hanatsarana sy hanamafisana ny anjara andraikitr’izy ireo amin’ny fitantanana ny ala, arahina fampiofanana sy fizarana traikefa.
Tanjona ny hanasongadinana ny lanja asan’ny mpianala. Hamafisina ny firaisankinan’izy ireo. Ary havaozina ny rafitra mifehy ny asan’ny mpianala.
Njaka A.




