Mitombo hatrany ny fianakaviamben’ny Yas. Tafiditra ihany koa i Basta Lion, mpanakanto mamiratra hatrany ivelany.
Vaovao tsara hatrany. Taorian’ny fisongadinany tamin’ireo hetsika iraisam-pirenena maro, nantsoin’ny Yas Madagascar ho ambasadaorony ihany koa i Basta Lion. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fandraisana ity mpanakanto ity anatin’ny fianakaviamben’ny Yas, tetsy amin’ny foibe Andraharo.
« Iarahantsika mahalala fa mpanakanto nitondra avo ny voninahi-pirenena i Basta Lion. Ankoatra izay, anisan’ny masontsivana jerenay ny fampiroboroboana ny talenta malagasy. Samihafa avokoa ny mozika sy ny gadona voizin’ireo ambasadaoron’ny Yas ireo. Izay mendrika sy vonona ireo nosafidiana ireo », hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Yas, omaly.
«Marobe ny tetikasa kasaina hatao ato ho ato. Ny ankamaroany any ivelany, saingy tsy hadino koa ny eto. Tsy mitsahatra ny mizara mozika aho, Ary efa rakikira fahenina izao no nivoaka », hoy kosa i Basta Lion.
Mbola vaovao tsara ho an’ny mpankafy azy ihany, nantsoin’ireo mpikarakara handray anjara amin’ny fampisehoan’i La Fouine sy Gazo ihany koa i Basta Lion. Ilay seho goavana hatao ny 10 avrily izao, etsy amin’ny Kianja Mahamasina io.
Zo ny Aina




