Analakely : Mpanendaka gagilahy, lavon’ny balan’ny polisy

Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy mampiasa antsy, maty voatifitry ny polisy tetsy Analakely, ny alin’ny talata lasa teo. Mikendry mpandeha sy mpivezivezy amin’ny alina izy ity.

Lavon’ny balan’ny polisy tetsy Analakely, ny talata alina hifoha omaly alarobia, ny jiolahy iray 21 taona malaza ratsy amin’ny asa fanendahana. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny polisy fa misy andian-dehilahy maromaro mandroba sy manendaka mpandeha sy mpivezivezy amin’ny alina eny amin’ny faritra Analakely sy Ambodifilao iny. Maro ny fitarainana voarain’ny polisim-pirenena mahakasika izany. Nanao hetsika manokana sy nametraka paikady hanenjehana ireo olon-dratsy ny polisim-pirenena. Nanao fanamiana sivily ireo Polisy avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) nanantanteraka ny fisavana amin’ny alina. Tsikaritra manaraka mpandalo iray nivoaka avy tao amin’ny hotely Le Glacier ity olon-dratsy voatifitra ity, tamin’io fotoana io. Nanatona hikasa hisambotra azy ny polisy, saingy niporitsaka tany anatin’ny « Pa­villon » Analakely ilay olon-dratsy. Efa feno mpitandro filaminana anefa tao ary tampindalan-kalehy izy.
Nikasa hamely tamin’ny antsy

Nasain’ny polisy nijanona izy nandritra ny fifanenjehana saingy namoaka antsy ary nikasa hamely ireo mpitandro filaminana. Voatery niaro tena, araka izany, ireo polisy ka nitifitra azy. Vokany, maty tsy tra-drano noho ny ratra mafy nahazo azy ilay tontakely. Mponina eny Antohoma­dinika io jiolahy io ary malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery ary fanafihana mitam-piadiana sy fampiasana zava-maranitra. An­koatra izay, mpanendaka gagilahy ary efa mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy ity voatifitra ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany izay miara-manao asa ratsy aminy eny amin’ny manodidina.
Marihina fa anisan’ny fomba fiasan’ireto olon-dratsy ireto ny mitangorona amin’ny olona izay kendreny. Ambanan’izy ireo amin’ny antsy avy hatrany ilay olona ary tereny hanome ny vola sy ny zavatra sarobidy rehetra any aminy. Voatery manome ny zavatra tadiaviny ireo olona lasibatra noho ny tahotra ny ho faty.

Mino

Partager sur: