Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana : “Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly”

Nisantaran’ny lehiben’ny governemanta ny asany ny fametrahana ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly. Nitsidika ny sampandraharaha misahana ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai) izy, omaly.

Nifampizara hevitra ahafahan’ny Arai manatsara fomba fiasa manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna, ny Praiminisitry Fanavao­zana, Rajaonarison Mami­tiana Jeannot Ruffin, omaly. Nihaona mivantana tamin’ny mpiasa eo anivon’io sampandraharaha io, teny amin’ny ivontoeran’ny Arai eny Meri­manjaka, ny lehiben’ny governemanta. Tsy nijanona fotsiny tamin’ny fitsidihana ara-pomba ofisialy ny fihaonana teo amin’ireo tomponandraikitry ny Arai sy ny Praiminisitra fa nifampizarana traikefa sy nifantoka tamin’ny fanamafisana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famotsiam-bola ihany koa. Hisy ny fiaraha-miasa manokana eo anivon’ny go­ver­nemanta malagasy sy io sampandraharaha io. Mifototra amin’ny asa, indrindra ny famongorana ireo tsimatimanota manao kolikoly eto anivon’ny firenena, izany. Ny fisian’ny kolikoly eny anivon’ny andrimpanjakana sy ny minisitera izay anisan’ny miteraka fatiantoka sy tsy mitondra ny firenena amin’ny fampandrosoana. Nanamafy ny tale jeneralin’ny Arai fa maneho fanohanana feno manoloana ny ady amin’ny kolikoly sy ny famerenana ny fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna io fitsidiana io. Raha tsiahivina, anisan’ny efa nisehatra tamin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly, teo aloha, teto Madagasikara, ny Prai­minisitra Mamitiana Rajao­narison.

Tsiferana R

Partager sur: