Hetsika Rohy: “Tokony hohavaozina tanteraka ny Ceni”

“Efa nanambara hatrany ny fiarahamonina sivily malagasy fa tokony hofoanana na havaozina tanteraka ny Ceni”, Io ny fanambaran’ny fiarahamonina sivily, avy amin’ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Amba­tona­kanga, omaly, momba ny fiatrehana ny fikarakarana ny fifidianana. Ny rafitra sy ny olona misy amin’izao fotoana izao izany. Satria tsy azo itokisana sy tsy afa-mitarika ny fanavaozana ny zotra sy ny lalàna ary ny rafi-pifidianana. Fanda­niam-bola amin’ny tsy antony ny mbola hanohizany ny andraikiny. Toy izany koa ny mbola hitranga, na hosoloina aza ny rafitry ny Ceni amin’izao fotoana izao io, izay efa tsy ametrahan’ny rehetra fitokisana intsony. Araka izany, tsy handray anjara amin’ny fanoloana ireo mpikambana ao amin’ny Ceni ny fiarahamonina sivily, fa hiroso amin’ny fitarihana sy fanatsarana ny zotram-pifidianana iray ma­nontolo.
Tsy ekena ary heverina ho fandaniam-poana amin’ny firenena efa sahirana ny fanoloana fotsiny ny mpikambana eo anivon’ny Ceni, izay tsy azo itokisana ary tsy misy asa hataony. “Anaovanay antso avo amin’ny filohan’ny Fana­vaozana fa tsy ilaina ary tsy laharam-pahamehana velively ny fanoloana ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitry ny Ceni”, hoy izy. Ny fanafoanana ny birao maharitra aza no tokony hatao, ka ireo mpanatanteraka no mampihodina amin’ny farafarakeliny ny rafitra mandra-pahatonga ny rafitra mpikarakara ny fifidianana havoakan’ny fikaoanandoham-pirenena fanavaozana.
Rehefa mitombina hoe tsy misy ilana azy intsony ny fanvaozana ny mpikamban’ny birao maharitry ny Ceni, manaraka an’izay fanapahan-kevitry ny fitondrana malagasy izay ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena.

R. Nd.

Partager sur: