THT, Agrad & Skaiz, Meizah, Tsota, Odyai, sns. Maromaro ireo hiran’ireto mpanakanto ireto no efa 15 taona sahady izay no nalaza. Haverina indray izany.
Misy ireo mbola anaty laza, ao kosa ireo vao hiverina indray. Tetikasa iray anisan’ny be mpiandry amin’izao fotoana ny « Génération 2010 ». Araka ny anarany, natao hampivondronana ireo mpanakanto namaky lay ny mozika an-tanàn-dehibe teto izy ity, nalaza nanomboka ny taona 2010 ary nanara-dia ireo « Génération 2000 ».
« Nametraka tamin’izao toerany izao ny mozika an-tanàn-dehibe izy ireo. Mpanakanto samy manana ny maha izy azy, fa nanaiky hiara-dalana aminay amin’ity tetikasa ity. Maro tamin’ireo no vahinin’i Marion nandritra ny fankalazany ny 20 taona an-tsehatra, ka maro ireo mpankafy nangataka ny hamerenana izany », hoy i Sylvano Ratsimandresy, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa, tetsy Mahamasina.
Araka izany, seho telo aloha no efa fantatra fa hotontosaina. Ao amin’ny Food Courts Barea, ny zoma 27 mars amin’ny 8 ora alina sy ny sabotsy 28 marsa amin’ny 3 ora tolakandro. Hifadimby an-tsehatra mandritra ireo seho roa ireo ry Tsota, THT, Odyai, Kougar, Lain J, Agrad & Skaiz, Meizah, sns. Hanaraka azy ireo ry DJ Gouty sy DJ Dexta, anisan’ireo mpikosoka kapila nasongadin’ny taona 2010 nankaty ihany koa.
Ny tena seho goavana kosa dia hotontosaina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Io ny tena fanambarana ireo ngeza, kalazan’ny taona 2010. Hamerenana ireo hira rehetra nalaza tamin’izany ka mampanembona hatramin’izao. Amin’ity taona ity io », hoy hatrany ny fanazavana.
Zo ny Aina




