FANTINA sy FINTINA

Miantso ny Praiminisitra hanao ho laharam-pahamehana ny sosialiam-bahoaka, indrindra ny jiro sy ny rano, ny Corps des sous officiers des forces des armées de Madagascar (Cosofam), araka ny fanambarany, afakomaly. Tokony hifantoka tanteraka amin’ ny fampandrosoana ny vahoaka ireo ho minisitra, fa tsy hitady tombontsoa manokana.
Nihaona tamin’ny filohan’ny Ceni sy ireo solon­tenan’ny fiarahamonina sivily mpikamban’ny Ceni
farany teo ireo fiarahamonina sivily, teny Alarobia, afakomaly. Nifarana tamin’izany ny fanaporofoana fa nanara-maso ny fifidianana izy ireo, mahazo mifidy izay ho solontenany ho mpikamban’ny Ceni. Teo koa ny lisitry ny mpifidy sy izay mahazo mirotsa-kofidina.
Izay sarotiny amin’ny fanovana sy manam-piniavana ho amin’ny fanovana no tokony handrafitra ny governemanta, araka ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Otrikafo sady mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny Fanavaozana, Rabevahiny Elia, teny Andra­voahangy Ambony, afakomaly. Tsy tokony hanana fahadisoana amin’ny asany ny governemanta vaovao.
Miray feo ireo sendikà roa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny sendikàn’ny mpiasa (SGM) sy ny sendikàn’ny mpandraharaha fonja (Spapm), ta­min’ny fanambarana navoakan’izy ireo, omaly, mitaky ny tokony hamerenana ny minisitry ny Fitsarana teo aloha, i Ernaivo Fanirisoa, ho eo amin’ny andraikitra fitantanana ny minisiteran’ny Fitsarana ihany.

Partager sur: