« Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » : Loharanon’ny toekarena ny ala

Loharanom-bola mivantana ny ala. Mitondra voka-dratsy goavana ny fahasimbany, miantraika any amin’ny tany, ny rano, ny toetr’andro, ka ilaina ny fiarovana azy.

Nankalazaina ny 19 mar­sa teo ny « Andro Irai­sam-pirenena ho an’ny ala », teny amin’ny foibe SNGF Ambatobe. Nanotrona teny an-toerana avokoa ny fianakaviamben’ny ala sy ny tontolo iainana. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « ny ala sy ny toekarena ». Manan-danja amin’ny fiainan’ny olombelona ny ala. Miankina aminy ny 80% ny Malagasy. Loharanom-bola mivantana, toy ny tantely, ny raokandro entina hitsaboana, ny lohamenaka, ny hazo hanorenan-trano, ny angovo, toy ny kitay sy saribao. Ma­nome asa ny ala, manohana ny fambolena, mitahiry ny loharano, ilaina amin’ny famokarana, sns.
Na izany aza, mitondra voka-dratsy goavana ny fahasimban’ny ala. Toy ny fahaverezan’ny halonaky ny tany, ny fihenan’ny vokatra ara-pambolena, ny fahasarotan’ny fahazoana rano. Noho izany, fototra iray lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny fiarovana ny ala.
Nasongadina manokana tamin’ity fankalazana ity ny andraikitra lehibe sahanin’ny mpianala, ao anatin’ny Von­dron’ny Rano sy ala. Izy ireo no miantoka ny fiarovana ny ala, ny fitantanana maharitra, miady amin’ny doro tanety sy doro ala. Mandray anjara amin’ny fanarenana sy ny fambolen-kazo, miantoka ny fampiharana ny lalàna mifehy ny ala sy ny tontolo iainana, sns. Koa, mendrika ny fanohanana sy ny fanomezam-boninahitra izy ireo.

Tsy ampy isa ny mpianala
Nambaran’ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andriatsihala Luck Artistide, fa laharam-pahamehana ny fampitomboana ny isan’ny mpianala, ny fanamafisana ny fahaiza-manaony ary ny fanomezana fitaovana sahaza. Mbola mpianala iray no misahana velaran’ala 40 000 ha eto Madagasikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: