Loharanom-bola mivantana ny ala. Mitondra voka-dratsy goavana ny fahasimbany, miantraika any amin’ny tany, ny rano, ny toetr’andro, ka ilaina ny fiarovana azy.
Nankalazaina ny 19 marsa teo ny « Andro Iraisam-pirenena ho an’ny ala », teny amin’ny foibe SNGF Ambatobe. Nanotrona teny an-toerana avokoa ny fianakaviamben’ny ala sy ny tontolo iainana. Lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe : « ny ala sy ny toekarena ». Manan-danja amin’ny fiainan’ny olombelona ny ala. Miankina aminy ny 80% ny Malagasy. Loharanom-bola mivantana, toy ny tantely, ny raokandro entina hitsaboana, ny lohamenaka, ny hazo hanorenan-trano, ny angovo, toy ny kitay sy saribao. Manome asa ny ala, manohana ny fambolena, mitahiry ny loharano, ilaina amin’ny famokarana, sns.
Na izany aza, mitondra voka-dratsy goavana ny fahasimban’ny ala. Toy ny fahaverezan’ny halonaky ny tany, ny fihenan’ny vokatra ara-pambolena, ny fahasarotan’ny fahazoana rano. Noho izany, fototra iray lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny fiarovana ny ala.
Nasongadina manokana tamin’ity fankalazana ity ny andraikitra lehibe sahanin’ny mpianala, ao anatin’ny Vondron’ny Rano sy ala. Izy ireo no miantoka ny fiarovana ny ala, ny fitantanana maharitra, miady amin’ny doro tanety sy doro ala. Mandray anjara amin’ny fanarenana sy ny fambolen-kazo, miantoka ny fampiharana ny lalàna mifehy ny ala sy ny tontolo iainana, sns. Koa, mendrika ny fanohanana sy ny fanomezam-boninahitra izy ireo.
Tsy ampy isa ny mpianala
Nambaran’ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andriatsihala Luck Artistide, fa laharam-pahamehana ny fampitomboana ny isan’ny mpianala, ny fanamafisana ny fahaiza-manaony ary ny fanomezana fitaovana sahaza. Mbola mpianala iray no misahana velaran’ala 40 000 ha eto Madagasikara.
Njaka Andriantefiarinesy




