Avy nandray tambin-karama : 11 mianadahy voaendaka 1 400 000 Ariary isan’olona

Lasibatry ny olon-dratsy izy 11 mianadahy, mpanao asa tanamaro, amin’ny fanerenana an’i Toamasina. Voaendaka ny vola tambin-karama, noraisina tamin’ny zoma sy omaly, mitentina 1 400 000 Ariary isan’olona.

Voa mafy! Mpiasa, mpanao tanamaro miisa 11 mianadahy no lasibatry ny mpanendaka sy ny mpangalatra, ary mpisoloky ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanadihadiana na­tao, taorian’ny fitarainan’ny mpiasa tamin’ny mpanao gazety dia misy valo mianadahy no lasibatra, tany amin’ny Cité Canada, ny zoma lasa teo. Samy nanjavona tanatin’ny indray mipi-maso ny vola noraisina, izay nitentina 1 400 000 Ariary isan’olona. “Nosakambin’ilay mpanendaka iray aho. Antsy lavalela no nitohaka teo amin’ny tendako. Mbola norahonana, hamoaka ny vola avy hatrany aho. Misy lehilahy iray, manao savahao ny anatin’akanjoko sy ny paosiko. Lasan’izy ireo avokoa ny vola noraisiko izay nantenaina mba hanarenana ny simba sy hamelonana ny ankohonako”, hoy ny renim-pianakaviana iray.
Ankoatra izay, raim-pianakaviana avy nandray vola tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina no voaroba, omaly. Niaraka tamin’ny namany roa lahy izy, namonjy toerana fisotrosotroana. Re­hefa mamomamo, nofitahan’ny renim-pianakaviana iray. Nentin’ity farany niara-nandry taminy, amin’ny andro atoandro. Niverina avy any, tsy hita popoka avokoa ny vola rehetra. “Tsy nisy nahatsikaritra ny olona niaraka taminy. Izy rahateo tsy niteny taminay na ho aiza na ho aiza. Nilaza fotsiny izy fa misy haleha vetivety. Efa voaendaka avy any vao fantatray fa niaraka tamin’ny vehivavy izy”, hoy ny namany roa lahy niandry azy tao amin’ny trano fisotroana, nanaovana ny fanadihadiana.
Fandraikiraikena
Tsy afa-bela tamin’ny olon-dratsy anefa ireto roa lahy taraiky tao amin’ilay toera-pisotroana. Samy very vola, tamin’ny fotoana iray izy ireo. Ny voalohany, notarihin’ny lehilahy iray, nilaza fa mpivarotra finday nivoaka. Nilaza ity farany fa manana finday avo lenta hanaovana “sera”. Mila mandeha amin’ny toerana takotakona anefa, hanaovana ny fifampiraharahana. Nentim-pahatokisana, nanaraka ilay raim-pianakaviana dia voaendaka tany. Akory anefa ny hatairany rehefa niverina saika hitantara ny nanjo azy tamin’ilay namany iray tavela tao.
Renoky ny tory teo ambony seza, nihohoka tamin’ny latabatra ity farany. Raha ny fanazavana voaray hatrany dia nisy nandraraka vovo-javatra ny vera nisy ny zava-pisotrony. Voaroba ihany koa ny volany rehetra. Samy nody maina izy telo lahy taorian’izay, very ny herimpo nandritra ny herinandro maromaro. Misokatra ny famotorana!

Sajo

Partager sur: