Hivoaka sy hampahafantarina anio alatsinainy na rahampitso talata ireo minisitra, ho mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana.
Natsidiky ny filoham-panjakana ny herinandro teo izany tetsy Anosy, tamin’ny fiatrehany ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty.
Nijoro ireo manamboninahitra lefitra (Cosofam) noho ny fanahiana korontana sy fifofoana aina eto amin’ny firenena. Nambaran’ny adjudant Zafinandrianatrehana fa miditra amin’ny kihon-dalana ny firenena ary nanampy ny mpitondra am-perinasa izy ireo.
« Misy ireo namana tsy maty voalavo an-kibo ka tsy azo ekena izany », hoy izy.
Anisan’ny nitolona voalohany tamin’ny raharaham-pirenena, ny lehiben’ny faritra Sofia, Djaosera Irénée, araka ny nambarany tao Mandritsara, ny sabotsy teo. Nanatanteraka ny fanomezan-kasina ny raiamandreny izy tamin’izany. Nohitsiny fa nigadra noho izany tolona nataony izany ny tenany. « Ny sasany nilaza fa nitolona kanefa tsy nigadra…”, hoy izy.
Nosokafana amin’ny fomba ofisialy ny fahatsiarovana ireo maherifo nitolona sy lavo tamin’ny raharaha 1947. Natao tany Manakara ny zoma teo izany. Nitarika izany tany an-toerana ny mpanolotsaina avon’ny Fanavoazana, ny Kly Andriamiarisoa Gervais. Nambarany fa fanaovan-tsoa amin’ny mpiara-belona ny tena fitiavana ny tanindrazana.




