Mage 4 : Rakotra fitiavana Antsahamanitra

Ny ankamaroan’ny hira niainga avy eny an-tsehatra, hiram-pitiavana. Ny hafanana nomen’ny mpijery (nihira mafy, nifamihina…), nanam-porofo ny fifamatoran’ny fitiavana eo amin’ny samy mpijery sy eo amin-dry zareo sy ny tarika Mage 4, sns. Rakotra fitiavana Antsahamanitra. Hita sy tsapa izany nandritra ny fampisehoana notontosain’ity tarika ity, omaly. Fotoana nahitana fa na elaela tsy tazana teny amin’ny sehatra lehibe tahaka izao aza ny tarika. Mbola tsy niala an-daharana ireo mpitia ny sanganasany. Na somary nanatombo kokoa aza ny tanora. Saika tazana teny an-toerana ny sokajin-taona rehetra.
Voatazon’ny tarika hatrany ny fanomezan-danja ny tononkira mba hipaka any amin’ny mpijery. Tahaka izany koa ny fandrindrana ny feon-javamaneno. Amin’ny ankapobeny, afa-po ny mpankafy. Maniry ny hisian’ny seho tsy ho ela manaraka indray ry zareo. Antony nampanakoako ilay hiaka : « hatramin’­ny farany ».
Maro tamin’ireo tonga teny an-toerana no nahatsiaro ny tontolon’ny fitiavany, fahiny, nandritra ny fampisehoana ka naneho izany tamin’ny fifamihinana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: