Avelo-Nidor : « Nanamanitra ny Zarafanahy ny 21 marsa »

Volana marsa, fanatanterahan’ny Faribolana Sandra­tra ilay hetsika « Zarafa­nahy ». Ho an’ity taona 2026 ity, andiany faha-XIV no no­tontosaina tao amin’ny Cercle Germano-Malagasy GZ, Ana­lakely ny 21 marsa teo. « Tafara-dia tamin’ny An­dro maneran-tany ho an’ny poezia izy tamin’ity taona ity. Hany ka vao mainka nanamanitra ny « Zarafanahy » ny nankalazana azy io, satria, nanjary roa sosona ny zava-nisy. Hipoka ny efitrano. Nitombo be ny hafanana (fo, fanahy…) na teo amin’ireo naneho ny talentany an-tsehatra na teny amin’ireo nanotrona na nijery… Samy nahatsapa io hafanana io avokoa ny rehetra tonga teny an-toerana… », hoy i Avelo-Nidor, anisan’ireo mpikarakara avy ao amin’ny Faribolana San­dratra. Nanteriny fa nofaranana tamin’ny « Alimbetso » teny Bemasoandro Itaosy ity « Zarafanahy XIV » ity.
Nomarihin’i Avelo-Nidor hatrany ihany koa ny fisian’ny hetsika « Tononkalo mitety tanàna, mitety sekoly » tanterahin’ny Faribolana Sandratra isaky ny volana marsa. «… Tamin’ity taona 2026 ity. Nandritra ny nanatontosana azy io. Nitombo isa ireo tanora liana amin’ny tontolon’ny to­non­kalo sy ny poezia. An­koatra ny efitranon-tsekoly feno hipoka. Mifanaretsaka ny fanontaniana. Avy amin’ireny no nahatarafana fa manomboka mahazo laka ao amin’ny mpianatra ireo zavakanto ireo », hoy hatrany i Avelo-Nidor.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: