TARATRY NY KANTO

Hanao ahoana ny ho tohiny ? Vita sy tontosa soamantsara ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Nifanindran-dalana tamin’ny vanim-potoanan’ny Alaha­madibe io fomba amam-panao io (Taombaovao Mala­gasy) tamin’ity taona 2026 ity. Hita taratra ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ireo mitonona ho mpivohy azy ireo sy ireo olona na vondrona na antokon’olona, sns, mpanaraka azy ireo tsirairay. Ny sasany mandroritra mafy fa ity no izy. Ny hafa, tsy sasatry ny mamerimberina fa ito anay ito no tena Taombaovao teo amin’ny Malagasy. Samy milaza ny azy ho « izy ». Ny Malagasy, angamba, no hametraka ny « tena izy », atsy aoriana atsy ?

Hanatanteraka ny seho « Haody ry Ana­lamanga » ny Quatuor & Squad. Ho fanokafana ny faha-10 taonan’ny tarika Quatuor & Squad amin’ny 2027 sy ho fiaraha-miasa miaraka amin’ny FJKM Katedraly Analakely amin’ny asa fananganana ny Trano vadim-piangonana, ny 3 mey ho avy izao, amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny CCESCA Antanimena. « Concert » hoentina mitantara ara-mozika ny nidiran’ny lokanga teto Madagasikara sy ny fomba nielezany nanerana ny Nosy. « Hokaloinay amin’ny fombanay ny hira sy gadona maro samihafa miantomboka eto Analamanga ka mitohy eny amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara », ity seho ity hoy ny tarika.

Partager sur: