Notanterahina afakomaly ny fitokanana ny ampahan’asa vita, tamin’ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nitarika izany tany an-toerana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël.
Ho fanohizana ny raharaham-panjakana, notokanana afakomaly, tao Toamasina ny toeram-piantsonana vaovao ho an’ny sambo lehibe. Mahatratra 333 metatra amin’ny 470 metatra, tokony ho halavan’ny asa ho tratrarina izany. Mahatratra 16 metatra ny halalin-drano eo amin’ny faritra misy azy. Nandray avy hatrany ny sambo Little Mermaid Monrovia, sambo tena lehibe, sambany noraisina tao amin’ny seranan’ i Toamasina.
Tonga nitokana ny zava-bita tany an-toerana ny Filohan’ ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël mivady sy ny lehiben’ ny diplaomasia Japoney, miasa eto Madagasikara, Tojima Hitoshi. Ity farany izay nanamafy tamin’ny lahateny nataony, fa efa mahatratra 70 % ny tahan’ ny asa vita amin’ ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ho afaka mandray sambo, miisa avo roa heny ny zakany ankehitriny izany rahatrizay vita tanteraka.
Nilaza kosa ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tamin’ny lahateny izay nataony fa zava-dehibe ho an’ny toekaren’i Madagasikara ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina. Antoka manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tany roa tonta. “Porofo ny fankatoavana sy fitokisana an’i Madagasikara izao fitokanana zava-bita izao”, hoy izy.
Nanararaotra ihany koa izy tamin’ny fandraisam-pitenena fa tsy tokony ampiasaina intsony ny hoe “teny baiko”. Tsy misy olona tokony hibaiko na hanaiky ho baikoana. Mangataka ny ampiasana ny “teny vahiny” izy.
2500 miliara Ariary
Folo taona lasa izay, ny taona 2016 no nanaovana ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy ny fanjakana Japoney, mahakasika ity tetikasa ity. Nifantoka tamin’ny fanadihadiana ara-toekarena ny roa taona voalohany. Nisy ny fakan-kevitra sy ny famolavolana ny tetikasa. Nanomboka ny taona 2020 ny asa. Mitetina 600 tapitrisa dolara na 2 500 miliara Ariary ny tetibidin’ny tetikasa. Nisy fiovana anefa izany, isaky ny misy voina na loza voanjanahary, toy ny Covid-19 sy ny rivodoza Gezani farany teo. Vokany, raha novinavinaina hifarana ny taona 2027 ny asa fanitarana dia mety hihitatra hatramin’ny fiandohan’ny taona 2028.
Sajo




