Sendikan’ny Ala : Takina ny minisitra manana vina

Nanao fanambarana iombonana ny mpikambana ao anatin’ ny Sendikan’ny Vondron’ny Rano sy ny Ala (Scofafor) sy ny Sendikan’ny Teknisian’ny Rano sy Ala (Sinatef), ny 19 marsa teo. Mangataka izy ireo ho minisitra manana vina stratejika no ho tendrena. Manana fahaiza-manao sy fahaiza-miasa, hitarika miabo ary haitaky mitombona tsara, hitondra avo ny harena voajanahary, hitarika fanavaozana tena izy. Takin’ny Scofafor, koa, ho sekretera jeneraly mahafehy ny fitantanan-draharaham-panjakana (administration publique), mitana ny teny omeny. Tompon’andraikitra tsy hijerena foko sy fihaviana na fihavanana, fa ny fahaiza-manao sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara no tanjona. Nomarihin’izy ireo fa mila hampiasaina ny fahaiza-manao ao anatiny, mba hanamora ny fanatanterahana ny asa, mba tsy minisitera fanaovana fiofanana ny minisiteran’ny Tontolo iainana.
Satria, tsy ilain’izy ireo ny fanendrena minisitra miahy ny tontolo iainana, tsy niaina sy tsy mahalala ny tena zava-misy, tsy nitondra vinam-panavaozana tao anatin’ny minisitera. Misy koa mpisehatra manaratsy ny mpiasa, nefa noho ny fikirizan’ izy ireo no naha toy izao ny minisitera ankehitriny, izay efa maty teo aloha.

Njaka A.

Partager sur: