Fikambanan’ny Orinasa Malagasy : Hanatsara ny anjara toeran’ny mpikambana

Nanatanteraka fivoriam-be fanao isan-taona, tetsy An­tsahavola ny fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM), ny alakamisy 19 marsa 2026 lasa teo. Tonga maro nanatrika izany ny orinasa mpikambana sy mpiara-miombon’antoka maro. Dingana lehibe ataon’ izy ireo amin’ity taona ity ny hanamafisana ny anjara toeran’ireo orinasa madinika sy salantsalany (TPE sy PME) eo amin’ny fampandrosoana ny tontolo iainana sy ny toekarena eto amin’ny Nosy. «Eo koa ny hanamafisana sy hanatsarana ny anjara toeran’ny mpikambana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’ antoka», hoy i Tsiranana Fiona, filoha nasionalin’ny FOM. Ezaka efa nataon’izy ireo ny fidirana ao amin’ny Conseil national de l’Industrie Malagasy (CNIM), izay ma­nampy sy manohana ny orinasa tsirairay avy amin’ny asa famokarany sy ny tontolon’ny indostria. Eo koa ny fitondrana ny feon’ny PME amin’ny tetikasa lehibe sy ny fiaraha-miasa vaovao. «Misy isaky ny zoma ho an’ny FOM mba hahafahana mampiofana ny mpikambana sy miresaka amin’ireo mpiara-miombon’ antoka», hoy hatrany izy. Tanjona ny hahafahan’ny orinasa mivoatra sy manatsara ny asan’izy ireo.
Anisan’ny zava-bita tamin’ ny taon-dasa ny fanamafisana ny feon’ny TPE sy PME mala­gasy teo amin’ny sehatra ara-toekarena, indrindra nandritra ny hetsika iraisam-pirenena. Nisy ny fandrosoana teo amin’ ny fahazoana famatsiam-bola, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ ireo banky mpiara-miombon’ antoka.
Niforona tamin’ny taona 2017 ny fikambanana. Maro ny mpikambana. Anisan’iza­ny, ny vondrona, kaoperativa, fikambanana ary ny vovonana. Miara-miasa amin’ny mpamboly sy ny tantsaha ny FOM, mba hahafahana mivelatra any amin’ny faritra.

Mino

Partager sur: