FANTINA sy FINTINA

“Tsy miady seza fa miasa ny antoko Ma­lagasy miara-miainga”, hoy ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. Nambarany fa tafiditra amin’ny fanohanana ny fitondram-panjakana ho fampandrosoana ny firenena izany. «Voalohany nitaky ny fanavaozana ny filoham-panjakana fa isika kosa no faharoa», hoy izy.
Tokony handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra ny vehivavy, araka ny atrikasa nataon’ny vovonan’ny vehivavy mpitarika, ny herinandro teo. Nohi­tsin’ireo vehivavy ireo fa manana andraikitra lehibe amin’ny hoavin’ny firenena ny vehivavy. «Tsy tokony hailika amin’ny fampandraisana anjara azy ireo, eo amin’ny fanapahan-kevitra», hoy izy ireo.
Efa manomboka hita taratra ny fivoaran’ny fikambanana Mafana ho an’Antananarivo, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina avon’ny Fiadidiana ny Repobli­ka, ny Kly Andriamiarintsoa Gervais. «Mihama­fy ny firaisankina sy ny hetsika ataon’ireo zanak’i Ma­nagnano, Fa­rogny ary Namorona monina eto Antana­narivo», hoy izy.
Nisolo tena ny antoko MMM tamin’ny fiofanana nokarakarain’ny Eisa momba ny vehivavy, tanora sy ny haitarika politika, i Rotsiniaina Herimalala sy Ramboa­solofo Zoariseheno. Nambaran’ny filohan’ny antoko, Andrianainarivelo Hajo, fa manome sehatra ny tanora sy ny vehivavy ho mpitarika sy ho mpitondra any aoriana ny antokon’izy ireo.

Partager sur: