Fambolena: Mila aparitaka ny teknika agroekolojia

Nankalazaina ny 20 sy 21 marsa teo, tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, ny Andron’ny vehivavy sy ny agroekolojia. Lohahevitra noraisina ny hoe : «Vehivavy, andry iray ho fanavaozana ny famokarana amin’ny alalan’ny teknika agroekolojika». Nikarakara azy ny Fitantanam-paritry ny Fambolena sy ny fiompiana (DRAE) Analamanga, eo ambany fiahian’ny minisitera foibe Minae. Nandray anjara avokoa ny rantsamangaika sy ny mpisehatra amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Anisan’ny nampiavaka ny fotoana ny nanolorana fitaovana fiterena ronono ho an’ny vehivavy mpiompy ombivavy be ronono.
Nambaran-dRazafindrakoto Léondasis Yolande, tomponandraikitra ao amin’ny fandaharanasa Afafi Centre, tohanan’ny Vondrona eoropeanina, fa mila aparitaka manerana ny Nosy, ny teknika agroekolojika, satria efa maty ny nofontany eto amintsika, vokatry ny fampiasana akora simika be loatra. Hafa ny fambolena biolojika, izay mila fanamarinana ara-tsiantifika sady lafo vidy, ary mifantoka amin’ny vokatra aondrana any ivelany. Tsotra ho an’ny tantsaha kosa anefa ny mampihatra ny agroekolojika, sady tsy lafo ary hita eny an-toerana daholo ny akora ilaina.

Njaka A.

Partager sur: