Hatramin’ny taona 2022 : Nitombo ny entana nafaran’i Madagasikara

Maherin’ny 23,9% ny ta­han’ny fanafarana sakafo nataontsika ny taona 2025, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Ma­dagasikara (BFM). Misonga­dina manokana ny vary izay tafakatra hatrany amin’ny 761 872 taonina. Kely ny vokatra teto an-toerana, ny taona 2024 ka nampitombo ny vary nafarantsika. Antony mahatonga ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra na ny “Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales” (ANMCC) manao ny fakan-kevitra handinihana ny fiantraikan’ny fanafarana entana amin’ny famokarana eto an-toerana, indrindra eo amin’ny sehatry ny agroalimentaire sy ny plastika, ny 25 sy 26 marsa, eny amin’ny biraony etsy 67Ha. Tanjona ny hihainoana ireo mpamokatra, mpanafatra entana, andrim-panjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka sy handinihina ny fiantraikan’ny fitomboan’ny fanafarana entana amin’ny famokarana eto an-toerana, araka ny fitsipiky ny OMC. Kendrena ao anatin’izay ny hiantohana ny fifaninanana ara-drariny sy hiarovana ny tombontsoa ara-toekarena.
Tsy nitsaha-nitombo ny vokatra nafarantsika hatramin’ny taona 2022 ary mihoatra ny 4 000 taonina izany ny taona 2024. Toe-javatra mampanahy ny sehatry ny indostria noho izy mety hiteraka fatiantoka ho an’ny tsena sy fahaverezan’asa. Nilaza kosa ireo mpandraharaha fa mamaly ny filan’ny tsena ireo entana farany, mitovy vidy amin’ny vokatra eto an-toerana ary mampiroborobo ny fifaninana ara-drariny. Tanjona ny hampifandanja ny vokatra eto an-toerana amin’ireo hafarana sy hiarovana ny tombontsoa ara-toekarena.

Henintsoa

Partager sur: