TARATRY ny KANTO

Namoaka ny « Efa fantatrao » Raboussa. Rakitsary vaovao, saingy ny hira kosa efa heno taloha tany. Ny tena marina, ny fiverenany no nalaina tamin’ny hira noforonin’i Donat Rasamimanana nampihirainy an’i Fafah tamin’izany io. Notanan-dRabousa ny fiverenana, nampiany ny aingam-panahiny ka namoaka vokatra vaovao hoentiny hamakivaky ny taom-pampisehoana 2026. Maromaro mantsy ny tetikasan’ny tarika Raboussa sy ny SR Event, izay sady namokatra ny rakikira no hisahana ny fikarakarana ireo hetsika hoavy ihany koa.

Rado Besigara no mitarika ny Ramilison Besigara Zanany avy etsy Fenoarivo. Notokanana ny alahady teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Maha­masina, ity zafikelin-dRamilison ity. Nahazo ny tsodranon’ireo raiamandreny sy ny taranaka Sahondrafinina sy Ramilison izy, hanohy sy hampita ary hampitia ny hiragasy toa ny nataon’ireo teo aloha. Nisy ny adin-kiragasy nifanandrinan-dry Sahondrafinina zanany sy ry Ramilison Besigara zanany, nandritra izany. Raha­rahan’ny samy henjana, sady raharaham-pianakaviana rahateo izany.

Tsy ho ela ny “Festival savika”. Endri-kolontsaina iray be mpankafy ary mbola mitohy amina faritra maro manerana ny Nosy. Fanehoana sy fanokafana izany ny “Savika mitorajofo”, izay notontosaina ny alahady teo, teny Alasora. Ny terak’Imady no nikarakara ny hetsika, izay nezahina nanehoana sy nitazonana ny fanao rehetra amin’ny fampisehoana savika toy izao. Nakana lesona amin’izay tokony hatsaraina amin’ny hetsika manaraka ihany koa izany.

Partager sur: