Fampiasana olona antsokosoko: Teratany vahiny 83 nosamborin’ny polisy

Voasambotry ny polisy teny Ambatomirahavavy ny teratany vahiny miisa 83. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hiasa eto Madagasikara izy ireo. Ordinatera miisa 170 ihany koa nogiazana.

Mitohy ny ezaka ataon’ ny polisim-pirenena amin’ny fanaraha-maso akaiky ny sisintany sy ny fivezivezen’ny vahiny eto Madagasikara. Nahitam-bo­kany izany, teratany vahiny miisa 83 no voasambotra ny 19 sy 20 marsa lasa teo. Avy amin’ny firenena samihafa izy ireo: iray mizaka ny zom-pirenena Turkmène, telo Sri-lankais, 24 teratany karana, 27 Pakistanais, ary sinoa ny am­biny. Marihina fa vehivavy ny sivy amin’izy ireo.
« Fitarainana avy amin’ny loharanom-baovao eny Amba­tomirahavavy no nahalalana fa misy orinasa mampiahiahy ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray. Teratany vahiny maromaro no miasa ao. Ni­dina ifotony nanamarina ny vaovao izahay ka izao nahitam-bokany izao. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana lalina ny polisy ka hotaterina amin’ny fotoana manaraka ny fivoaran’izany », hoy ny kaomisera divizionera Harison Olivier Samy, tale mi­sahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina eto Mada­ga­sikara. Marihina fa manampy amin’ny famotorana sy tamin’ ny fisamborana ny In­ter­pol, sampana eto Mada­gasi­kara.

Hosavaina tsirairay

Nahitana ordinatera miisa 170 tao amin’ilay orinasa, no­tantanana vahiny iray. « Nogia­zana ka mbola ho savaina tsirairay ireo solosaina. Aorian’ izay vao ho fantatra mazava ny antsipiriany mahakasika ny tena ataon’ilay orinasa. Ny fandikan-dalana efa voama­rina aloha dia tsy manana fahazoan-dalana hiasa izy ireo. Taratasy ahazoana mi­zaha tany no teo am-pelatanan’izy ireo. Ankoatra izay, sady tsy feno no tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny taratasy mahakasika Ilay orinasa », hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

Tandrovana ny lalàna

Taorian’ny fisamborana sy mandritra ny fakana am-bavany ireo voarohirohy, misy ny fampahafantarana ny mahakasika azy ireo eny amin’ny masoivohon’izy ireo tsirairay avy.
Manamafy koa ny seraseran’ny polisim-pirenena amin’ ny fanentanana ny fanajana ny lalàna misy eto Madaga­si­kara, indrindra amin’izao fo­toana hanaovana antso avo amin’ny mpampiasa vola vahiny ho tonga eto an-toerana izao.

Mino

Partager sur: