Fitondrana fanavaozana : Hivoaka anio ny governemanta vaovao

Anio no hanatanterahana ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny governemanta vaovao. Izay ny fampitam-baovaon’ny mpitondra tenin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repobli­ka, omaly, manoloana ny fiandrasana ny governemanta vaovao amin’izao. Hanao ahoana? Arakaraka ny firafitra sy ny fomba fiasany ny ho fahombiazana, ny fahatokisana azy; eny, na ny hanohanana azy aza. Sarotra ny fandidiana? Nilaza, ohatra, ny Praiminisitra Rajaonarison Ma­mitiana, tamin’ny famindram-pitantanana teny Maha­zoariro, tamin’ny 16 marsa, fa minisitra “choc choc” no ho­tendrena. Izay ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana. Ita­kiana vokatra eo no ho eo izany, fa tsy hoe miasa fotsiny. Vokatra haingana sy mivaingana no andrasana sy ilaina ary takina.
Hisy fanavaozana ny go­vernemanta ny amin’izay? Indrindra manoloana ny fa­moahana masontsivana etsy sy eroa ny amin’izay tokony ho minisitra toy ny eo anivon’ny fahasalamana, ohatra, ny fanabeazana, ny fambolena sy ny fiompiana… Misy aza ny mangataka sekretariam-panjakana manokana toy ny fandraharahana ny fonja. Tsy vitan’izany, mila minisitra sa­hy. Na tsy miandry baiko? Matoky tena, manapa-kevitra avy hatrany, tsy miovaova… Tsy hisy intsony ny fampanantenana tsy ho tanteraka? Na fitaka… Nanaovana fitiliana lainga ireo minisitra amin’ny alalan’ny fitaovana manokana “Polygraphe”. Tsy maintsy mandalo amin’izany avokoa ny rehetra, araka ny namba­ran’ny filohan’ny Fanavao­zana teny Anosy, tamin’ny 19 marsa. Hiatrika filankevitry ny minisitra avy hatrany ireo minisitra, anio, hanomboka eo ny fanaraha-maso sy ny fitsaran’ny vahoaka miandrandra fanovana sy fanavaozana. Ho tonga amin’ny karazana fitarainana, fitakiana, fihetsehana… ? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: