Mandroso hatrany amin’ny 24% ny asa fanamboaran-dalana Antsohihy-Bealanana, RN31. Efa vita ny sosona fototra, manomboka eo amin’ny PK0 hatrany amin’ny PK48+700, any Ankazibetsiahy-Antsahabe. Efa tafapetraka ny « dalots » miisa 191 amin’ny 523, ka eo am-pamaranana ny 5. Miisa 8 amin’ny 29 ny tetezana efa vita. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fifamoivoizana hatrany amin’ny PK82, ary hipaka hatrany Bealanana (PK 129) afaka herinandro vitsy.
Latsaky ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro, nandritra ity volana marsa 2026 ity. Nahatratra 4 971 Ar ny sandany tamin’ny iray volana lasa, ny 24 febroary. Manodidina ny 4 164 A r kosa ny 1 dolara, raha 4 300 Ar tamin’ny 24 febroary 2026. Raha aravona, mahazo aina tsikelikely ny Ariary, mihoatra amin’ny vola vahiny, tato anatin’ny telo volana voalohany, taona 2026.
Mahatratra 104 dolara ny vidin’ny solika iray barila (1b=159 litatra), omaly 24 marsa. Nidina kely io raha oharina ny tamin’ny 20 marsa, efa tafakatra 107 dolara. Raha ny famakafakana nataon’ny mpahay toekarena amin’ny solika sy ny toe-draharaha politika maneran-tany, noho ny ady hevitra ny hanokafana na tsia ny lakandranon’i Ormuz, eo ambany fiahian’Iran no mahatonga io fidinana kely io.




