Governemantan’ny Fanavaozana : Minisitra 17 tafaverina, 13 mianadahy no vaovao

Nampahafantarina, omaly ireo mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana. Miisa 13 ireo mpikambana vaovao raha 17 kosa ireo tafajanona amin’ny toerany.

Anisan’ireo minisitra vaovao ny misahana ny Ra­haraham-bahiny, Alice N’Diaye. Efa nisahana andraikitra teo anivon’ny minisitera ihany ny tenany, nialoha ny fanendrena. Minisitra vaovao misahana ny Fampiana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny depiote, Andriamam­pandry Todisoa. Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendranirina.
Natao minisitera manokana kosa ny Fambolena, miaraka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ka voatendry hisahana izany, Ramino Gaetan. Hi­saha­na ny minisiteran’ny Fiompi­ana, ny minisitra, Andriano­men­janahary Riana. Minisitry ny Fampiroboro­boana ny in­dostria sy ny fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, Rahari­manjatovo Rina Nam­poina. Misahana ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana, Denis Franconion Mac. Mini­sitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andriana­valona Ramanam­bola Herizo. Minisi­try ny Angovo sy ny akoranafo, Radonirina Lucas Rabeari­manga. Hisahana ny minisiteran’ny Asa vaventy, Rafefi­manana Richard. Minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Maharavo Jean. Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Andrian­tsiala Luc Aristide. Minisitry ny Mponina sy ny firaisankina kosa, Rakotoniaina Cathia Voa­hanginirina. Efa nitana andraikitra ara-bola teo anivon’ny fiadidiana ny Fana­vao­zana ny Repoblika ny tenany.
Miala avy hatrany

Anisan’ny hafatry ny filoham-panjakana nanoloana ireo mpikambana amin’ny governemanta rehetra ny tsy fanekena ny tsy fahombiazana sy ny kolikoly. «Mi­ala avy hatrany! Tsy governemanta ho an’ny tombontsoa manokana ity na ho an’ ny ankolafin-kery fa ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka », hoy izy. Natsidiny ny hanohizana ny efa nataon’ny teo aloha sy ny fanokafana ny sehatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo miantoka ny filan’ny mponina andava­nandro.

Sivy amin’ny 30 no vehivavy

Miisa 17 kosa ireo mbola ta­­fajanona amin’ny toerana. Anisan’izany Razafimanantsoa Hanitra. Niova ho minisitry ny Fanavaozana izany raha minisi-panjakana teo aloha. Mbola voatana amin’ny toerany ny mi­nisitry ny Foloalindahy, ny Jly Razafitombo Maminirina, ny mi­nisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. Ny minisitry ny Atitany, Rakotonandrasana Hanitra Ve­lonjara. Ny minisitry ny Toeka­rena sy ny fitantanam-bola, Ramiarisona Herinjatovo. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Eric Michel. Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Jly Lylison Rene de Roland. Ny minisitry ny Fa­hasalamana, Magnana Monira. Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana mom­ba ny siansa, ny Pr Ravoni­manantsoa Manda-Vy. Mini­sitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana Michela Angèle. Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Andriamparany Carl. Minisitry ny Fizahantany sy ny asa-tanana, Vololoniaina Lucie. Minisitry ny Fampiroboro­boana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa. Anisan’ireo mbola voatazona amin’ny toerany koa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Rasambany Alain Desiré. Tahaka izany koa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. Mbola tafaverina amin’ny toerany koa ny minisitra delege, misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Bama Marima.

Maromaro ireo minisitra nisaorana

Anisan’ny nisaorana tsy ta­­faverina intsony kosa, ny mi­nisitry ny Raharam-bahiny
teo aloha, Razanamahasoa Christine, ny minisitry ny Fa­nabezam-pirenena, Hanitriniaina Karena. Eo koa ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana, Florent Soatiana Betty Leone ; ny minisitry ny Mponina teo aloha, Raharinirina Sidonie. Ny minisitry ny Angovo sy akoranafo teo aloha, Ralitera Ny Ando. Tsy voantendry intsony koa ny minisitry ny Asa va­venty, Razafindrianarivo Henri Jacob.

Synèse R.

 

Partager sur: