Fanafihana tetsy Fenoarivo: Jiolahy 11 voasambotra, iray maty voatifitra

Vola 20 000 Ar isan-dahy no azon’ireo jiolahy namono nahafaty mpianaka teny Ambohidrazana Fenoarivo. 11 lahy hiakatra fampanoavana, anio.

Hiakatra fampanoavana, anio, ireo 11 lahy no­samborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’izy ireo, momba ny fanafihana nahafatesana olona roa teny amin’ny kaominina Fenoarivo. Niara-niasa ny tobim-paritry ny zandary voakasika sy tamin’ireo toerana manodidina nahafahana nisambotra ireo mpanao ratsy. “Niezaka nanao angom-b aovao tamin’ny fianakavian’ ny lasibatra nandritra ny razana mbola teo am-bohitra izahay”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry zandarimaria Fenoarivo. Na­hafantatra ireo olona anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana io rahateo ny olona voakasika. “Lehilahy iray avy amin’ny fokontany Ambohi­drazana, voasambotra ny 16 marsa teo. Niaiky heloka izy ary nitoroka tsikelikely ireo niara-niasa taminy”, hoy ny fanazavana. Lehilahy monina any amin’ny fokontany manodidina avokoa ireo 11 lahy voatonona. Ankoatra ireo, iray hafa nosamborina teny amin’ny kaominina Ankadikely, saingy namoy ny ainy nandritra ny fifandonana. Zandary iray naratra taorian’io.

20 000 Ar isan-dahy
Lelavola 20 000Ar isan-dahy no anjara azon’ireo 11 lahy voarohirohy ho nandray anjara mivantana tamin’io fanafihana niharo vonoan’olona teny Fenoarivo io. “Nilaza ho tsy nahazo afa-tsy 20 000 Ar isan’olona ireo jiolahy ireo nandritra ny famotorana natao azy”, araka ny fanamafisan’ny zandarimaria. Tsiahivina fa olona roa niara-maty vokatry ny habibiana nataon’ireo tsy valahara nanafika tao amin’ity fokontany ity, ny alin’ny 14 marsa lasa teo. Nihevitra ireo olon-dratsy fa nisy volabe tao amin’ilay tokantrano, antony nifampitarihan’izy ireo hanao ny fanafihana.

Tsiferana R.

Partager sur: