Namoy ny ainy tampoka tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy, sady toeram-piasany, tao amin’ny fokontany Avarakady, kaominina Ambohimanga Rova, ny renim-pianakaviana iray, ny alatsinainy 23 marsa lasa teo. Nifampiresaka tamin’ny mpampiasa azy ilay ramatoa ny marain’io andro io, araka ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana. Mpanampy an-trano izy ary mpiavy avy any Antsirabe. Niasa tao izy nanomboka ny volana febroary lasa teo. Namonjy fotoana teny amin’ny Jirama ilay mpampiasa tamin’ny 12 ora atoandro. “Nifampiresaka tsara ny roa tonta ary mbola nifampiantso tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro”, hoy ny fanazavana voaray. Niverina avy tamin’ny dia nalehany, hatairana ny an’ilay mpampiasa nahita io ramatoa io nitsirara tao an-tranony. Niantso vonjy tamin’ny manodidina sy nampiantso ny tomponandraikitry ny fahasalamana avy hatrany izy. Natao fizahana ilay ramatoa saingy efa tsy nisy aina intsony. Heverin’ny mpitsabo ho fiakaran’ny tosidra tampoka no nitarika ny fahafatesan’io ramatoa io.
Tsiferana R.




