Mpanendaka sy mpangarom-paosy efatra mianadahy voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny Hery vonjy taitra na Unité d’intervention Rapide (UIR), tetsy Analakely omaly. Nahitana lehilahy telo sy vehivavy iray. Anisan’ny mampihorohoro ny mpandeha ny firongatry ny asa fanendahana ataon’olon-dratsy eto Antananarivo sy ny manodidina tao ho ao. Nanamafy ny hetsika fanaraha-maso sy paikady, araka izany, ny polisim-pirenena. Nahomby ny hetsika natao satria olona efatra mianadahy no indray voasambotra teo am-panatanterahana ny asa ratsiny teny Analakely sy ny manodidina. Nahatsikaritra andian-jatovo maromaro izy ireo nandritra ny fisafoana sy fanaraha-maso ny olona mivezivezy nataony, omaly. Zatovo maro manao andiany no miara-manendaka sy mangarom-paosy teny amin’iny faritra iny. Nosamborina sy azo sambo-belona teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo. Nentina sy miatrika fanadihadiana eny anivon’ny “Sûreté urbaine” d’Antananarivo (SUT) izy ireo taorian’izay. Fantatra fa efa mpamerin-keloka amin’ ny sinto-mahery sy harom-paosy amin’iny faritry Analakely sy ny manodidina iny izy rehetra ireo, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy.
Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny halatra isan-karazany sy ny tsy fandriampahalemana izao hetsika izao. Mbola mitohy hatrany ny fanenjehana sy famongorana ireo mpanao ratsy eto amin’ny Nosy.
Mino




