TSELATRA

Lehilahy iray nandrahona mpivarotra tamin’ny basy kilalao sy antsy maranitra voasambotry ny polisy tetsy Avaradrano, afakomaly. Nahazo angom-baovao tao Andranovelona Sabotsy Namehana ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano. Nandositra ilay lehilahy rehefa nahatsikaritra ny polisy saingy voasambotra tsy lavitra teo.

Naiditra vonjimaika am-ponja ny 23 marsa 2026 teo, ny lehilahy iray 56 taona, mpivarotra rongony any Ampahatra Antsirabe. Mody mitantana klioba ana baolina kitra any an-toerana izy nefa mivarotra ron­gony. Natao ny fikarohana ary tratra tao an-trano fonenany. Nahitana rongony 39 fonosana tao aminy. Enjehin’ny lalàna ny fivarotana sy fampirisihana olona hidoroka rongony.

Mpanao sinto-mahery miisa telo voasambotry ny polisim-pirenena tany Mahabibokely Mahajanga, ny 23 marsa lasa teo. Tratra teo am-pangalarana zavatr’olona mpandalo ireto olon-dratsy ireto, ny alatsinainy hariva teo. Marihina fa efa anisan’ireo nahazoana fi­tarainana avy amin’ny mponina amin’ity asa ratsy ity izy ireo.

Jiolahy miisa enina sy mpimasy iray voasambotry ny polisy tany Farafangana. Nitrangana vaky trano amin’ny andro atoandro tany Mahatsara Ava­ratra, ny 28 febroary 2026 teo. Nisy ihany koa tao Impitiny sy Marofatsy ary Mahatsara Atsimo, ny 11 sy 20 marsa. Natao ny fikarohana, tratra ny iray tamin’ny olon-dratsy ary izy no nanoro ny namany hafa.

Partager sur: