VAOVAO TAMBATRA

Tanterahina eto amintsika, ny 30 marsa ka hatramin’ny 4 avrily, ny « Mission économique Tunisie-Madagascar ». Hetsika hanamafisana ny fifanakalozam-barotra sy traikefa eo amin’ny firenena roa tonta. Hasongadina manokana ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoa ara-toekarena sy ny fandraharahana. Marihina fa mpiara-miombon’antoka stratejika i Tonizia noho ny fananany fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny teknolojia sy ny indostria

Miisa dimy ny sambo vahiny tratra nanjono tsy ara-dalàna taty amin’ny fari-dranomasin’i Madaga­sikara. Manamafy ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny atrikasa atao mandritra ny telo andro ireo teknisianin’ny « Centre de surveillance de pêche ». Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaony amin’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta sy hamakafakana miampy fandalinana ny angom-baovao.

Nahazo mari-pankasitrahana Iosa avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka ny kaompania Madagascar Airlines. Iray amin’ireo fenitra maneran-tany momba ny fiantohana ny sidina ity mari-pankasitrahana ity. Manamafy ihany koa fa mahafeno ny fenitra iraisam-pirenena ny asan’ny kaompania sy ny fitantanany ny ekipa mpiara-miasa aminy. Manan-kery mandritra ny roa taona ny Iosa.

Partager sur: