Tsy niova ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Voatazona hanohy ny asany i Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa. Nikitika ireo teboka lehibe nandritra ny roa volana naha minisitra azy, ka heverina fa izay no antony nitazomana azy. Anisan’ireny ny fanavaozana ny lalàna mahakasika ny Omda ho an’ireo mpanakanto, sy ny lalàna mifehy ny serasera. Mbola maro kosa ny miandry.
Hisy ny seho ampahibemaso, ho fanohanana ny voka-pikarohan’ireo mpianatra ao amin’ny dingana fahatelo, ao amin’ny Akademia Nasionaly ampitana ny kolokanto sy ny kolontsaina (Anac). Telo mianadahy ireo hanao ny fanohanana, ahitana an’i Ramparany Solofosoa, Randrianalison Jonhatan Anderson ary Ramiadamitovomanana Anjaraatiaana Fanoa. Hotontosaina rahampitso zoma amin’ny 2 ora izany, ao amin’ny efitrano A, Anac Anosy. Amin’ny teny frantsay sy teny vahiny ireo lohahevitra hotohanana.
Nampahafantarina omaly, tetsy amin’ny Tranombokimpirenena Anosy, ireo gazety boky voalohany ho an’ny ankizy. Ny « Kôra Magazine », ho an’ireo ankizy 4 hatramin’ny 7 taona sy ny « karne Mag », ho an’ireo ankizy 8 hatramin’ny 13 taona. Tsy maro ny gazety boky ho an’ny ankizy ary Afrika, ary azo lazaina fa sambany ireto navoakan’ny Editions Karné ireto.
Misy mpanakanto malagasy telo mianadahy haneho ny talentany mandritra ny « Mauritius Art and Culture Invesstment Summit » na ny MACIS 2026, nanomboka omaly ary hitohy hatramin’ny anio. Manodidina ny lohahevitra “United for Climate” izany, izay nanehoan’i Andry marcel, Miangaly Elia ary Clipse Teen ny talentany.




