Kolikoly nandritra ny fanadinana ho mpitsara : Namidy 1 000 000 Ar ny laza adina iray

Namoaka fanambarana ny Bianco, omaly, momba ny fivoahan’ny laza adina alohan’ny fotoana nandritra ny fanadinana fandraisana mpianatra ho mpitsara. Namidy 1 000 000 Ar ny laza adina iray, araka ny fanadihadiana nataon’izy ireo.

Olona enina, mpanao kolikoly mamoaka laza adina mialoha mahakasika ny fanadinana fandraisana mpianatra ho mpitsara (ENMG) andiany faha-21, 2024, voarohirohy, raha ny fanambarana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), omaly. Nia­trika fitsarana teo anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha, ny alatsinainy 23 marsa lasa teo, izy ireo. Olona telo naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano, taorian’ny didy navoakan’ny mpitsara. Olona telo hafa koa napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Nanao kolikoly mivantana sy ankolaka, fanararaotam-pahefana, fitanilana ary fiaraha-miasa amin’ny heloka bevava ny antony anenjehana azy rehetra ireo.

Naparitaka tamin’ny WhatsApp

Mpiasa iray miandraikitra ny fanontana (réprographie) no tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana ireo laza adi­na. Eo anelanelan’ny amin’ny 5 ora sy amin’ny 7 ora maraina no anapariahany izany amin’ny alalan’ny WhatsApp. Amidiny amin’ny sarany 1 ta­pitrisa ariary ny laza adina iray, raha ny fanadihadiana nataon’ny Bianco hatrany. Miara-miasa amin’ny mpiasa tao amin’ny sekoly ENMG sy olon-tsotra hafa avy ety ivelany ihany koa izy mandritra izany asa ratsy izany.
Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ireo olona voakasika sy mety ho voakasika amin’ity raharaha ity, mandra-pahatonga ny fotoam-pitsarana azy ireo. Marihina fa notanterahina tamin’ny volana desambra 2025 lasa teo ity fanadinana nahitana laza adina nivoaka mialoha ity.

Mino

Partager sur: