Nodarohan’ny vinantolahiny nandritra ny fifamaliana, namoy ny ainy taorian’ny ratra nahazo azy, ny raim-pianakaviana iray tetsy Ambohimangakely, ny talata 24 marsa lasa teo.
Nivoa-dra ny vavany, naratra ny faritra sasany tamin’ny vatan’ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimangakely, ny 24 marsa lasa teo. Nifamalimaly tamin’ny vinantolahiny io rangahy io. Ny alatsinainy 23 marsa tamin’ny 5 ora hariva, nandritra ny fifandirana, nodarohin’ilay vinantony izy. Nazeran’io lehilahy io tamin’ny tany ny rafozandahiny. Nokendain’ilay lehilahy teo amin’ny tendany. Mangana ny faritry ny tendany ary nisy naratra ny faritry ny kibony sy ny tongony. Voa mafy ka nanomboka azon’ny tsy fahasalamana ilay lehilahy niharan’ny vono taorian’ny fahavoazany. Niezaka nikarakara azy ny fianakaviany saingy tsy tana intsony ny ain’io raim-pianakaviana io, ny ampitso. Naharay fampandrenesana momba ity tranga ity ny zandarimaria miasa ao Ambohimangakely, ny alarobia 25 marsa tamin’ny 11 ora sy 43 minitra. Nidina ifotony nanao fizahana ny nofo mangatsiakan’ilay niharan’ny vono ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII ao an-toerana.
Nandositra ny nahavanon-doza
Nandositra niala ny fianakaviany ilay lehilahy nahavanon-doza nahavita namono nahafaty io rafozandahiny tetsy Ambohimangakely io. Niroso amin’ny fikarohana avy hatrany ny mpitandro filaminana izay sady misahana ny fanadihadiana. Efa voaangona avokoa ny mombamomba ilay vinantolahy nanao ny habibiana, araka ny loharanom-baovao. Mivelona amin’ny asa fibatabatana entana izy. Andrasana ny tohin’ity tranga ity. Marihina, na inona na inona tsy fifankahazoana, tsy fanao ny mikasi-tanana ray aman-dreny, indrindra ny fandatsahan-dra azy ireny.
Tsiferana R.




