Fahaverezan’ny vola 3 811 miliara Ar : Miroso amin’ny fanenjehana ny fitsarana momba ny kaonty

Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny volam-panjakana 3 811 miliara Ar very. Tsy mipetra-potsiny amin’izao ny fitsarana momba ny kaonty nanao ny tatitra. Irosoana ny fanaovana fanenjehana fandikan-dalàna.

Mahatratra 3 811 miliara Ar ny vola very amin’ ny kitapombolam-panjakana, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty, taona 2025, teny Anosy, tamin’ny 19 marsa teo.
Manoloana izany, nanome toromarika hentitra ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana hanao famotorana lalina ireo tomponandraikitra amin’izay fandrobana volam-panjakana izay ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­dria­nirina Michaël, tamin’ny 20 marsa ihany. “Amin’izao fotoana izao, efa mandamina ny antontan-taratasy rehetra isaky ny tranga tsirairay ny fitsarana momba ny kaonty”, hoy ny fanazavan’ny mpitsara eo anivon’ny fitsarana momba ny kaonty, Razafimanantsoa Tafita, teny Anosy, omaly. Firosoana amin’ny fanaovana fanenjehana…
Milaza ny lalàna momba ny fitsarana misahana ny kaonty fa ny lehiben’ny fampanoavana ihany no mandefa ny tatitra any amin’ny lehiben’ny fampanoavan’ny fitsarana tampony na ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fitsarana tampony. Ireto farany indray no mampanao fanenjehana any amin’ny fitsarana mahefa. Na ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac) izany, na ny Fitsarana avo (HCJ), na ambaratonga hafa. Mba handefasana ny antontan-taratasy rehetra isaky ny tranga tsirairay any amin’ny tonia voalohany mpampanoa izay fandaminana izay. Rehefa tonga any amin’ny fitsarana tsirairay izany, tsy maintsy halefan-dry zareo any amin’ny mpiandraikitra ambony ny fikarohana ny fandikan-dalàna (OPJ). Mety ho Bianco izay, na zandary, na polisy ekonomika manao ny fanadihadiana ara-pitsarana ny amin’izay mpiray tsikombakomba rehetra isaky ny raharaha… Jerena hatrany ifotony amin’izany izay rehetra tomponandraikitra nibaiko.

R. Nd.

Partager sur: