Nambaran’ireo fiarahamonimpirenena fa hanatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny rehetra izy ireo. Anisan’ izany ny tanora, ny vehivavy, ireo manana fahasembanana, ny mpisehatra eny ambanivohitra. Mitarika izany ny komity ahitana fikambanana sy sehatra miisa 30 avy amin’ny fiarahamonimpirenena. « Mijoro ho mpandray andraikitra mavitrika sy miaro ny Tetezamita tsara tantana, tsy manavaka ny rehetra ary mitondra ho amin’ny hoavy iombonana, miorina amin’ny rariny, ny mangarahara ary ny fandraisan’anjaran’ny rehetra izahay », hoy izy ireo. Nanterin’izy ireo fa ho tompon’andraikitra amin’ny fandrindrana ny fanatanterahana ny dinika manerana ny faritra 24 ny komity. Anisan’izany ny fiantohana ny mangarahara sy ny fahatokisana mandritra ny dingana rehetra, ny fanangonana sy fandrindrana ireo hevitra sy tolo-kevitra avy any amin’ny faritra.
Hitondra amin’ny fampandrosoana
Nanterin’izy ireo fa miasa amin’ny fahaleovantena tanteraka, tsy misy fifandraisana mivantana amin’ny rafitra ara-panjakana, ary ao anatin’ny fanajana ny fitsipika ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny tombontsoa iombonana ny komity. “Mikendry ny hanamafy ny fandraisan’anjaran’ny fiarahamonimpirenena amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny Tetezamita sy ny Fanavaozana ny firenena ny dinika hatao”, hoy izy ireo. Hampiasaina anohanana ny dinika hotanterahin’ny minisitera misahana ny Fanavaozana, miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra, na eny amin’ny faritra na eo amin’ny sehatra nasionaly ireo tolo-kevitra azo avy amin’izany. « Hitondra vokatra tsara ho an’ny fampandrosoana ny firenena sy ho an’ny rehetra izany », hoy izy ireo.
Synèse R.




