Fandraharahana: Hamoraina ny fandoavan-ketra

Tosika amin’ny fampandrosoana ny fandraharahana ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Hifanolo-tanana ny foibe fitantanana ny hetra (DGI) sy ny kabinetra NR Consult hanamorana ny fandoavan-ketra.

Vita sonia omaly ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny foibe fitantanana ny hetra (DGI) sy ny NR Consult. Tanjona ny hananganana rafitra ara-toekarena mafy sy matanjaka amin’ny fampidirana ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Efa niara-niasa, na­nomboka ny taona 2018, ny roa tonta. Tao anatin’izay, mahatratra 15 000 ny mpandraharaha madinika sy salantsalany (PME) tafiditra ao anatin’ny rafitra ara-ketra izay nahazoana maherin’ny 9 miliara Ar. « Hanampy ny mpa­n­draharaha madinika, mpamatsy entana sy ny maro hafa hivelatra kokoa izao fiaraha-miasa izao satria hanamora ny fandoavan-ketra sy hisitrahany ireo tohana ahafahany mampivelatra ny sehatrasa ataony », hoy ny tale ara-teknika eo anivon’ny DGI, Raza­fimandimby Pascal. Namba­rany fa hanamora ny fandoavan-ketra an’ireo mpandraharaha ny fahazoany « Numéro d’identification fiscale » (NIF). Andraikitry ny NR Consult kosa ny hanamora ny fidiran’ ny orinasa madinika eo anivon’ny DGI.
Tohana
Misehatra amin’ny tsy ara-dalàna avokoa ny 60% ny mpandraharaha. Antony nahatonga ny roa tonta hametraka vovonana hamantarana sy hanohanana ireo mpandraharaha madinika hiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna izany. Laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny « Centre de gestion agréé » (CGA) hanatsarany ny fitantanana. Ankilany, nilaza ny tale jeneralin’ny NR Consult fa nisy ny fidinana ifotony nampianarana ny tantsaha ny tontolon’ny hetra sy ny tombontsoa azo avy amin’izany.
Marihina fa antoka amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny harinkarena faobe ny fandraharahana.

Henintsoa

Partager sur: