Vaindohan-draharahan’ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, vaovao, i Maharavo Jean, ny hampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny toekarena manga. Vonona hiara-miasa akaiky amin’ireo ekipa mpiara-dia aminy izy hanatrarana ny vina apetrany, raha ny nambarany nandritra ny fifamindram-pitantanana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Chan Kit Waye Jacob, teny Ampandrianomby. « Hanohy ireo dingana tsara efa vita ary hanamafy ny ezaka ho an’ny tombontsoan’ny rehetra sy ho an’i Madagasikara aho », hoy izy. Marihina fa sehatra anisan’ny mampiasa olona betsaka sy mampidi-bola an’arivony tapitrisa maro ny toekarena manga. Tombony ho antsika ny fananana faridranomasina midadasika, ny loharanon-karena an-dranomasina samihafa hahafahana misarika mpampiasa vola ho amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Tsiahivina fa manomboka mahazo vahana sy mivelatra ny sehatry ny jono eto Madagasikara.
Henintsoa




