Tratra ambodiomby saika hivarotra basy ny lehilahy iray teny Mandrosoa Ivato, afakomaly. Voalaza fa basy miisa roa nataon’olona nindram-bola taminy antoka ireo.
Voasambotry ny zandarimaria avy eo anivon’ny GSIS teny Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, ny lehilahy iray nivarotra basy, afakomaly. Loharanom-baovao tsotra no nampita izany tamin’ny mpitandro filaminana. Voalaza fa misy olona mivarotra basy poleta miisa roa eny an-toerana. Mitady mpividy ilay raim-pianakaviana. Manoloana izany, raikitra ny vela-pandriky ny zandary.
Noraisim-potsiny ilay lehilahy nitonona ho tompon’ny basy amidy. Natao ny fisavana azy, tratra teny aminy ny basy miisa roa. Marika “Auto Valtro” ny iray. Marika “Rhoner Sport Waffen” ny faharoa. Marihina fa tsy nisy bala ny basy nandritra ny fisamborana, araka ny angom-baovao voarain’ny zandarimaria avy eo anivon’ny tobim-paritra Mandrosoa. Notanana natao famotorana ilay mpivarotra.
Antoka tamin’ny olona
Mpampindrana sy mpampanjana-bola ity lehilahy ity, araka ny fanadihadiana nataon’ ny zandary taminy. Nilaza izy nandritra ny famotorana fa: “Nataon’olona antoka tao aminy ireto fitaovam-piadiana ireto. Notazominy izany rehefa tsy nahatafaverina ara-potoana ny vola ilay mpindrana”, hoy hatrany ny mpitandro filaminana. Tapa-kevitra hamarotra ny basy izy taty aoriana, noho ny fahelan’ny fotoana niandrasany ny volany.
Tsy nahitana taratasy ny iray tamin’ilay basy. Misoratra amin’ny olona monina any Mahajanga I ny faharoa. Nogiazan’ny zandary avokoa ny basy. Torak’izany koa ny moto nentiny. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Tsiferana R.




