Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany Antsenakisoa Tsiroanomandidy, ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma. Jiolahy miisa telo, mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy Fusil à pompe sy baraminina ary antsy, nanafika tokantrano mpanao Cash point iray tany an-toerana. Nahatsikaritra olona nampiahiahy nikasa hiditra tao an-trano ny tompon-tsena ka nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-misy ireo polisy miasa eo amin’ny gare routière sy ny avy amin’ny hery vonjy taitra. Mbola tratra tao an-toerana ireo jiolahy tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo. Nitifitra ireo olon-dratsy vantany vao nahita ny polisy. Namaly tifitra fampitandremana, noho izany, ny polisy fa tsy niala mihitsy ireo olon-dratsy. Raikitra, araka izany, ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vokany, voatifitra ary naratra mafy ny iray tamin’ireo jiolahy. Nentin’ ny namany nandositra nankany amin’ny lalana mizotra amin’ny Abbatoir ity farany, saingy hita tao anaty kirihitr’ala iray tany an-toerana ny fatiny, noho ny haverezan-dra be loatra. Ankoatra izay, polisy iray hafa naratra voan’ny piti-bala teo amin’ny feny. Efa nahazo fitsaboana ity farany ary tsy misy ahina ny ainy. Tavela nandritra ny fifanjevoana ny fitaovam-piadiana hafa nampiasan’ireo olon-dratsy, ankoatra ny bala. Mitohy ny fikarohana ireo namany hafa tafaporitsaka.
Mino




