Fihaonana tamin’ny praiminisitra: Mitaky fifidianana malalaka i Royaume-Uni

Noraisin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana ny ambasadaoron’i Grande Bretagne eto amintsika, i Patrick Lynch. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny maha zava-dehibe ny demokrasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena.

Voaresaka tamin’izany ny finiavan’ny governemantan’ny Fanavaoza­na hanova ny fiainan’ny va­hoaka sy ny ady amin’ny kolikoly. Nambaran’ity masoivohon’i Royaume-Uni ity fa tokony hanompo ny vahoaka sy hamaha ny olany ny fitondram-panjakana. Niaiky ny tenany fa goavana ny filan’ny mponina ary tsy azo ekena ny fahantrana ankehitriny. Na­metraka ny ambasadaoro fa anisan’ny lalana tokony hizorana ny lafiny demokrasia. Tokony hotanterahina koa ireo fotokevitra telo iorenan’ny governemanta vaovao sy ny fitakian’ny vahoaka, araka ny nambarany. « Eo ny fifidianana malalaka sy madio. Ny fahalalahana miteny ary ny ady amin’ny kolikoly. Mitondra fitomboana ara-toekarena sy tombotsoa vaovao hahafahan’ny Malagasy an-tapitrisa mivoaka amin’ny fahantrana izany », hoy izy. Nohitsiny koa fa misy lalana hafa ketrehin’ny sasany. Manohitra ny demokrasia tiana hapetraka eto amin’ny firenena. Manohitra ny fifidianana malalaka sy madio, ny fahalalahana miteny ary ny ady amin’ny kolikoly izany, araka ny nambarany. « Hitantsika ny fijaliana tsy mitsahatra ateraky ny lalana tahaka izany maneran-tany », hoy izy.
Voatsiahy tamin’izao fi­haonana izao fa manohana tetikasa maherin’ny 40, manerana ny Nosy, i Royaume-Uni. Miara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana amin’ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny tontolo iainana.

Synèse R.

Partager sur: