TARATRY ny KANTO

Misokatra ho an’ny besinimaro ny Mozean’ny Tolom-panafahana 29 marsa 1947 ao Moramanga. Toy ny isan-taona, haranty ao ireo vakoka mirakitra ny tantara tsy hay kosehina, hampitana ny fanilo sy ny tantaran’i Madagasikara ho an’ny taranaka. Ilain’ireo mpianatra, mpampianatra na olon-tsotra liana amin’ny tantara ny fampirantiana. « Fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana » no lohahevitry ny fanamarihana amin’ity. Haharitra hatramin’ny rahampitso 29 marsa izany.

Nihazo an’i Toamasina ireo fitaovana azo avy amin’ny fampisehoana tolo-tanana notontosain’ny tarika AmbondronA. Nisy ny fanadihadiana tany an-toerana mahakasika ireo ilaina maika. Tafo fanitso 5 taonina mahery, miampy ireo kojakoja ilaina amin’izany no nalefa, izay harindran’i Shyn sy Denise ny fizarana azy, miaraka amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo miara-miasa amin’ireto mpanakanto ireto.

Hotontosaina anio ilay « sakafom-piraisa­na », hafanain’ny tarika Ny Any Aminay sy ny tarika Zandry Gasy, eny amin’ny Espace MG Ambohiman­gakely, amin’ny 12 ora atoandro. Haka endrika fampisehoana sy fiaraha-misakafo, araka ny anarany, izany. Asa fanasoavana ihany koa, satria entina hanohizana ny ezaka fotodrafitrasa ho an’ny FJKM Ambohiman­droso Fitiavana ny vola azo amin’izany.

Partager sur: