Nandroba manamboninahitra : Efa-dahy naiditra am-ponja eny Antanimora

Niakatra fampanoavana, naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy tratra namaky tranona manamboninahitra misotro ronono iray tao amin’ny fokontany Tanjondava, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohi­dratrimo, ny 26 marsa teo. Nivoaka maraina ny trano fonenany, tamin’ny 4 ora, handeha hamonjy toeram-pitsaboana ny tompon-trano ny alarobia 25 marsa teo. Na­nararaotra ireo jiolahy ka nampiasa fitaovana mandeha amin’ny herinaratra nahafahany nandidy ny vy nidirany teo amin’ny varavarana. Naharay antso ny mpitandro filaminana momba io tranga io ka nidina ifotony. Nandositra ireo nahavanon-doza. Voasambotra tamin’io fotoana io ny mpiambina tao amin’ilay tanàna. Ity farany izay efa nitondra kitapo nisy entana nifonofono. Tratra tao anatin’ilay kitapo ny firavaka an’ny tompon-trano, niampy entana sarobidy hafa. Natao famotorana io mpiambina io. Nitoroka ireo namany hafa izy. Vokany, efa-dahy ireo niaraka voasaringotra tamin’io vaky trano io. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany ireo jiolahy ireo ka izao nampidirina am-ponja izao.

Tsiferana R.

Partager sur: