Nitrangana fahamaizana teny amin’ny tranon’ny mpianatra, Bloc 4 teo anivon’ny Oniversite Ankatso, omaly. Voafehy fotoana vitsy monja taorian’ny tranga ny afo. Simba ny ankamaroan’ny entan’ireo mpianatra nipetraka tamin’ny efitrano lasibatra.
Lehilahy hita faty ka nifatotra rojo vy ny tendany tao Marofototra, Vatomandry, afakomaly. Nataon’ny tomponandraikitra fizahana ny vatana mangatsiakan’io olona io ka nisy mangana ny faritry ny tanany. Andrasana ny fanadihadiana.
Lehilahy iray naiditra vonjimaika am-ponja rehefa tratra nivarotra rongony teny Andranomena, ny 26 marsa teo. Nahatrarana rongony tamin’ny fonosana maromaro io lehilahy io. Teo am-pamarotana ireo entana ireo izy no tra-tehaky ny polisy.
Olona miisa folo voasambotry ny polisim-pirenena teto an-dRenivohitra, ny herinandron’ny 23 marsa teo. Tratra nanao fandikan-dalàna tamin’ny toerana samihafa ireo olona ireo. Misy nosamborina noho ny halatra, toy ny teny Ivandry. Efa-dahy tratra nanendaka teny Angarangarana, raha toa ka mpamerin-keloka iray sarona teny Ambatoroka.




