Asa vava tsy vava asa

 

Mbola momba ny fijoroan’ny governemanta vaovao ihany… Tsy mahafa-bela? Ny vao tsy manitra no ratsy. Samy miandrandra sy miandry fanovana sy fanavaozana amin’izao governemanta vaovao izao avokoa ny rehetra. “Choc choc “, na asa haingana sy mivaingana avy hatrany no andrasana. Vava asa fa tsy asa vava, fa ny asa vava tsy vava asa. Efa vita fitiliana lainga rahateo ny tsirairay. Inoana sy antenaina fa tsy misy fitaka izay atao. Mby amin’ny hoe atao izay lazaina izany, lazaina izay atao. Mba misy fakan-kevitra ahay amin’izay atao, fa tsy hotampohina izay voakasika mivantana. Amin’izany, tsy misy sehatra na faritra hadino.
Hatramin’izao, misy Faritra malahelo sy miady sisika fa tsy tafiditra, hono, ny zanany. Nahoana? Hahazoana tombondahiny manokana ve, ohatra, ny fananana zanaky ny Faritra lasa mpitondra ambony? Tsy iray ihany ve ny Malagasy ary ho an’i Madagasikara ny asan’izay eo amin’ny fitondrana? Tsy misy fiangarana, na anaovana mizana tsindrian’ila…
Fiovana sy fanovana ilaina amin’izao koa izay toe-tsaina tsy mahalala afa-tsy ny foko na Faritra misy ny tena izay?
Mby amin’ny hoe ny tsirairay ho an’ny daholobe izany, ny daholobe ho an’ny tsirairay. Fa iray ihany ny Malagasy ary tokana i Madagasikara: miara-miasa, miara-mandroso. Ifamenoana fa tsy ifamonoana izay mety ho fahasahamihafana: harena fa tsy atao mampahantra saina tsy ahalalana afa-tsy ny Faritra misy ny tena. Vava asa no ilaina izao, fa tsy asa vava mety ampisaraka an-toerana. Izay mampiombona no hamafisina sy hatevenina, fa tsy izay mety hampisaraka no roritina. Tarazo ratsin’ny fanjanahantany izay: zarazarao hanjakana. Fa zarazarao ny asa… handrosoana. Samy manana izay tandrify azy, izay mety ho vitany avy… Izay no handrosoana ho amin’ny tena fanovana sy fanavaozana?

R. Nd.

Partager sur: