VAOVAO TAMBATRA

Mitohy ny fametrahana faritra voatokana ho an’ny mpitrandraka madinika, any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Kaominina miisa 4 (Belindo Mahasoa, Tanandava, Anivorano Mitsinjo, Beteza ary Tra­no­maro), samy distrika Bekily. Notsidihin’ny Fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Anosy sy Androy ny toeram-pitrandrahana vato indostrialy sy akoram-by any an-toerana. Tanjona ny hampidirana anaty ara-dalàna ireo mpitrandraka madinika.

Hanohy ireo ezaka efa vita teo aloha ny minisitra vaovao misahana ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo. Nohamafisiny koa fa ho laharam-pahamehana ny fitondrana tsara tantana sy ny mangarahara, ka ho hentitra ny tenany amin’ny fanajana izany. Marihina fa teknisianina amin’ny fadin-tseranana sady filohan’ny Sendikan’ny mpiasan’ny ladoany (Sempidou) ity minisitra ity.

Voatendry ho talen’ny Fitankaontim-panjakana ao amin’ny Tahiribolam-panjakana Antananarivo (TPA) Rabemanantsoa Tsirihaga Andrianiaina. Natao ny 25 marsa teo ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny TPA telo aloha, Nasolonjanahary Mampionona Olivier. Nanome toky ny « trésorier » vaovao fa hanao izay vitany amin’ny fanatanterahana ny andraikiny, araka ny didy aman-dalàna mifehy ny fitankaontim-panjakana.

Partager sur: