Namonjy kabone vao maraina: mpianaka niara-maty voatsatoka antsy

Voafira antsy teo amin’ny tendany ny renim-pianakaviana iray, omaly maraina, tao Marofinaritra. Voatsatoka antsy indroa ny zanany vavy. Vokany, maty avokoa izy mianaka.

Nitrangana habibiana nataon’olon-tsy fantatra tao amin’ny tanànan’i Marofinaritra, kaominina Ma­nanjary, omaly maraina. Nia­ra-namoy ny ainy tamin’ny zanany vao dimy taona monja ny renim-pianakaviana iray, tokony ho 43 taona. “Mpanasa lamba hanao ny asany maraina no nahita azy mianaka efa nitsirara sy tsy nisy aina intsony tsy lavitry ny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe”, hoy ny loharanom-baovao azo avy amin’ny Kaomisera miasa eo anivon’ny polisim-pirenena ao Mananjary.
Nampandre avy hatrany ny mponina manodidina sy ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana ilay nahita ny razana voalohany. Nidina ifotony, nanao ny fizahana ny nofo mangatsiakan’izy mianaka ny solontenan’ny mpitsabo sy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena. Nilaza ireto farany taorian’ny fizahana fa: “Voa­fira antsy teo amin’ny tendany ilay renim-pianakaviana. Nisy tsindron’antsy maromaro tamin’ny vatan’ilay zanany vavy”.
Ifampitadiavana
Manoloana izao vono olo­na mahatsiravina izao, nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisim-pirenena ao Mananjary. Tsy fantatra ma­za­va, hatreto, ny antony na­monoana azy mianaka. “Tombanana ho nandeha tao amin’ny toeram-pivoahana vao maraina ilay renim-pianakaviana sy ny zanany. Nan­dritra izay no ahina ho namonoan’ireo tsy mataho-tody azy ireo”, hoy ny lehiben’ny polisy misahana ny famotorana. “Olona mety ho akaiky na mahafantatra tsara azy mianaka koa anefa no nahavanon-doza matoa novonoiny hatramin’ilay zaza”, hoy hatrany ny fanamafisana avy amin’ny polisy.
Marihina fa mpiavy, milaravinahitra ao Mananjary izy mianaka lasibatra ireto. Avy any Fianarantsoa izy ireo. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, izay efa nanomboka avy hatrany ny fanadihadiana lalina.

Tsiferana R.

Partager sur: