Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena tao Tanambao Verrerie, Toamasina, ny alin’ny alahady 29 marsa 2026, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nanafika sy nanendaka olona mpandalo tany an-toerana ny andian-jiolahy nirongo antsy sy sabatra. Voaroba, tamin’izany, ny entana rehetra teny amin’ilay lasibatra. Mbola noratrain’izy ireo tamin’ny zava-maranitra ihany koa ilay mpandalo. Nampandre ny zava-nitranga tamin’ny polisim-pirenena ny mponina, noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny paikady rehetra izy ireo mba hanenjehana ny olon-dratsy. Jiolahy miisa telo no tsikaritry ny polisy nikasa hanafika sy hanendaka mpandalo tamin’izay fotoana izay. Natao ny fifanenjehana ary tratra ny roa tamin’ireo olon-dratsy, raha tafaporitsaka ny iray hafa. Tratra teny amin’ireto farany ny fitaovam-piadiana nampiasainy, anatanterahany ny asa ratsiny, toy ny antsy lava sy sabatra. Nentina sy miatrika fanadihadiana any amin’ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava izy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany mbola miriaria any. Entanina hatrany ny olom-pirenena mba hampandre ny polisim-pirenena raha mahatsikaritra zavatra hafahafa. Miankina amin’ny fiaraha-mientan’ny rehetra ny fandriampahalemana sy hahafahana miaro ny vahoaka.
Mino




