Kisendrasendra? Na fifanandrifian-javatra… “OEACP nohavaozina sy novaina ao anatin’ny fiovan’izao tontolo izao”. Io no lohahevitry ny fihaonana faha-11 nataon’ny fikambanan’ny fanjakana afrikanina sy karaiba ary pasifika (OEACP), tany Malabo, Guinée Equatoriale.
Notanterahina ny 27 hatramin’ny 29 marsa lasa teo izany. Nandray anjara tamin’izany i Madagasikara. Nisolo tena ny Malagasy tany an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye. Nivoatra tamin’ny fampitam-baovaon’ny Raharaham-bahiny, omaly, izany.
Nohamafisin’ny minisitra fa vonona i Madagasikara ny handray anjara mavitrika ao anatin’ny vondrona. Naveriny ny antson’i Madagasikara amin’ny tokony hanafoanana ny fampitsaharana ny fandraisany anjara ao anatin’ny hetsika sy rafitry ny Vondrona afrikana (UA). Manoloana izany, nanao antso avo izy ny hanohanan’ny firenena afrikanina izany fangatahana izany. “Efa misy ny ezaka hiantohana ny fitoniana ara-panjakana sy hanohizana ny fanavaozana izay natomboka aty an-toerana. Toraka izany ny dingana efa natomboka aty Madagasikara, mitodika amin’ny fanamafisana ny rafitra sy andrimpanjakana. Hanatsara ny fitantanana ary hamorona fepetra hahazoana mampandroso ny firenena izany”, hoy izy.
Nanentana
Ankoatra izay, nanentana ny vondrona koa izy mba hiompana amin’izay laharam-pahamehan’ny firenena mpikambana sy ny vahoakany ny ezaka atao. “Mba hahazoam-bokatra azo tsapain-tanana sy refesina, indrindra amin’ny sehatry ny toetr’andro sy ny varotra ary ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ny anjara biriky entintsika. Hamafisiko ny fahavononan’i Madagasikara handray anjara feno amin’izany. Manentana antsika rehetra ihany koa amin’ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa miorina amin’ny firaisankina sy ny fifampiresahana ary ny fandrosoana iombonana eo amin’ireo firenena afrikanina sy karaiba ary pasifika”, hoy izy namarana ny anjara fitenenany.
R. Nd.




