Lalao an-kamely !

 

Mbola tsy ny ampahefan-dalana no vita, efa mifamingampigana sy mifanindrom-paingotra ny mpiara-milalao. Mazava ny zotra, samy te ho lohany rahatrizay vita ny lalao famaranana. Ny kapitenin’ny ekipa, efa manomboka mahaihay vava. Manomboka tsy mihaino tolo-kevitra. Hita fa manome tombon-dahiny manokana mpilalao vitsivitsy.
Ny ekipa teknika, natao hampitovy tadin-dokanga, iaraha-mahita ny zavatra ataony. Samy mitondra ny lohany, satria nomem-pahefana mitovy izao. Hanahirana ny fikafika sy ny daka an-jorony mety hampikobana na tsia ny harato izay iankinan’ny fandresena rahatrizay. Tsy azo amaivanina anefa izay satria ahina hitarika fandrodanana hatrany ifotony. Hampisavorovoro ny mpanohana.
Ankoatra ireo, iaraha-mahalala fa misy amin’ny nampiakarina kianja no efa manambony ny tenany kokoa raha miohatra amin’ny hafa. Efa mampilaha-tena amin’ny kapiteny. Ny tena loza, toa mihevitra fa ambonin’ity farany aza. Manasokajy vatana any amin’ny mpanendry sy tompon’ny teny farany. Ahina hivadika ho fandoto, raha tsy mahay mitandrina.
Ilaina anefa ny firaisan-tsaina avy amin’ny herivelona raha tiana hitohy am-pilaminana ilay fitantanana ny lalao. Raha vao tsy madio ny fitsipika, tsy mahagaga ny baolina an-kamely. Tsy maintsy misy foana ny mifamingana sy ny dian-kiho, na ny akanenjika kitrokely. Tsy hisian’ny fandratrana sy fizarana karatra mavo sy mena, ilaina ny fahamalinan’ny rehetra.
Kilalao hafahafa, anaty fitsipika hafahafa izy ity ka andrasana izay tena ho fivoarany. Mbola misy 18 volana eo ho eo ny faharetany, izay tsy mahay mikajy angovo no ho sempotra aloha.
Fandresena tokana ho an’ilay Madagasikara malalantsika anefa no tanjona. Tokony hifanaja ny tanora mpandimby, na ireo voky traikefa mbola manao kirin’antitra. Mila mitandrina tsara!

r.r

Partager sur: